Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tia Tanindrazana, tia fanovana. Tonga ny fotoana.

La gazette de la grande île
18/10/202558 second read

Tsy afaka miandry intsony isika. Mandroso izao tontolo izao, ary tsy afaka mijanona aoriana i Madagasikara. Tsy olona iray ihany no afaka mitondra fiovana. Isika rehetra no anisan’ny vahaolana.

Vahoaka matanjaka ao anatin’ny Fanjakana marina. Izay no tanjona.

Fanavaozana ifotony no làlana.
Fifanarahana ara-piarahamonina vaovao no fanalahidy.
Fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay no fanombohana.

Tsy avy any ivelany ny fandrosoana, ary tsy miankina amin’ny harena an-kibon’ny tany ihany koa. 

Avy amin’ny fahavononan’ny vahoaka Malagasy sy ny fahaiza-mitantana ara-drariny ao amin’ny Fanjakana no iaingan’ny tena fampandrosoana.

Mandroso ny firenena rehefa mandroso ny vahoakany — ary rehefa manana rafitra ara-dalàna sy matanjaka.

Izany hoe, tsy maintsy atomboka amin’ny fananganana olona mahay, miasa mafy, tompon’andraikitra, sy amin’ny fanavaozana ny andraikitry ny rafitra sy ny Fanjakana mba ho mpanohana ny ezaky ny fiarahamonina, fa tsy ho sakana intsony.

Fanovana toe-tsaina: dingana voalohany amin’ny fanarenana

Ny fanabeazana no fototra. Tsy izay manome mari-pahaizana ihany, fa izay manangana olom-pirenena mahay mandinika, mahay misafidy, ary vonona handray andraikitra.

Fotoana izao hialana amin’ny toe-tsaina miandry sy mitady mora, toe-tsaina izay manakana antsika tsy hivoatra.

Masina ny Tanindrazana

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top