Ry Mpiray Tanindrazana malala,
Mirary taona vaovao 2025 sambatra sy feno fahombiazana ao anatin’ny fandriam-palemana maharitra e!
Miarahaba ny rehetra tratry izao taona vaovao izao. Mirary Taom-Baovao 2025 sambatra, feno fahasoavana, fahombiazana ary anaty fahasalamana
ho any ny rehetra. Mirary ny tsara sy ny soa dia ho mandry fahizay anie ny tany.
Madagasikara no mandroso raha mandry fahizay ny tany! Madagasikara no mandroso dia ny Malagasy tsirairay no mandroso. Malagasy zay mahantra sy fadiranovana ankehitriny.
Tsy misy fampandrosoana izany raha tsy MISY NY FANDRIAM-PAHALEMANA MAHARITRA SADY TSARA; izany hoe ny fisin’ny toe-tsaina, ny andrim-panjakana ary ny rafitra izay mamorona, mametraka ary manohana ny flarahamonina milamina ho any vahoaka malagasy rehetra tsy misy avahana fa tsy any vahoakanay na ny vahoakanareo na ny vahoakan ny mpandresy na ny vahoakan’ny resy.
Ny fomba tsara indrindra hahazaona izany fandriam-pahalemana maharitra sady tsara izany handrosoan’ny Malagasy any amin’ ny fiadanana sy fahasambarana maharitra dia toy izao:
Voalohany, Ny fandriam-pahalemana maharita sady tsara dia vokatry ny governemanta miasa tsara, lavitry ny kolikoly; governemanta manamafy ny fifampitokisana aminny andrim-panjakana rehetra sy ny fahombiazan’ny fandraharahana; governemanta miasa ho an’ny daholobe ary asa izay tsara kalitao sy avo lenta izay hanamafy ny fifampitokisana sy fandraisana anjara ny rehetra eo amin’ny fampandrooana ny Tanindrazana iombonana, Governemanta miasa mba hisian’ny fitoniana sy mampihatra ny fanjakana tan-dalàna.
Faharoa :Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia vokatry ny fahaizana sy fahendrena ny Malagasy tsirairay. Ny fototry maha-olona mahay sy hendry dia vokatry ny fanabeazana azony anivon’ fianakavina, any an-tsekoly ary eo anivon’ny fiarahamonina . Ny fandriam-pahalemana mahanitra sady tsara, vokatry ny fahaizana sy fahendreana ny Malagasy tsirairay izany dia hiteraka olom-pirenena hampiroboro ny fampandrosoana ny fahalalana, ka hanatsara ny vokatra ara-toekarena sy hamporisika ny
Malagasy tsirairay handray anjara eo sehatra ara-politika ary ara-tsosialy.
Fahatelo: Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia azo avy amin ny fametrahana tontolo ara-barotra sy fiasana managarahara sy madio-Izany dia hanantanjaka ny toe-karena sy ny andrim-panjakana ara-dalana manohana ny fampandehanan-draharahan’ny sehatra tsy
miankina; izay hanamora ny famoronana asa ho any tanora Malagasy maro an’isa.
Faha efatra: Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia vokatry ny fampiarana antsakany sy andavany ny lalana velona izay miantoka ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra ary koa ny fenitra ara-tsosialy sy ara-kolontsaina
mifandraika amin’ny fitondran-tenan’ny olom-pirenena Malagasy. Ny fandriam-pahalemana mahanitra sady tsara dia miantoka ny fitoniana hahazaon’ny Malagasy tsirairay ny loharanon-karena toy ny fanabeazana ary fahasalamana .
Fahadimy: Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia vokatry ny fifandraisana tsara sy mirindra eo aminny foko misy eto Madagasikara, ny fivavahana ary ny kolontsaina misy eto aminny firenena
Faha enina:Ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia vokatry ny fananana fifandraisana tsara amin’ ny samy Malagasy sy miaraka ny any ivelany i Madagasikara ;hilamina kokoa i
Madagasikara ary tsy maintsy mandroso satria mirona ho marin-toerana kokoa ara-politika, hanana governemanta miasa tsara kokoa, sady miezaka handrindra izay mety fifandirana eo amin ny fifandraisana.
Ary farany faha fito: ny fandriam-pahalemana maharitra sady tsara dia ho azo raha mahazo ny vaovao tsara sy marina foana ny malagasy rehetra mba azaony mampitombo ny fahalalana. Izany vaovao tsara sy marina izany dia hanampy ny tsirairay sy ny fiarahamonim-pirenena handray fanapahan-kevitra tsara kokoa.
Ny fahazaohana vaovao malalaka zany dia hitarika ho aminny vokatra tsara kokoa sy valiny mitombina kokoa indrindra indrindra amin’ny fotoana sarotra izay lalovan ny firenenana ankehitriny; fotoana sarotra vokatry ny
fifandraisana iraisam-pirenena.
Ireo fomba ireo ihany no hampandroso marina any Madagasikara. Ary ho tanteraka ny hiainan’ ny rehetra taom-baovao sy ny taona manaraka rehetra feno Fahasoavana, Fahombiazana ary anaty Fahasalamana raha manova ka mampiatra sy manaja any ireo fomba ireo ny rehetra.
Misaotra manokana ireo mpanohana ny hevitra tsara sy ireo izay miheno. Afaka manangana tontolo milamina sy milamina kokoa isika rehefa miaraka manantanteraka ny Soa iombonana amin’ny fomba tsara , mendrika sady madio.
Mirary Soa indrindra amin’izao taona vaovao e!





