« Gagazo! Cybercriminalité, sarika am-pandriana, kidnapping, sns ». Ireo no voambolana fitenin’ireo mpitondra laoranjy nanomboka ny taona 2019. Governora, minisitra, depiote, tsy nahay afatsy nisetrasetra tamin’ireo izay tsy nitovy hevitra tamin’ireo. Andry Rajoelina aza moa nampitovy ny mpanohitra tamin’ny alika (mivovo) ary nihevi-tena ho Bruce Lee (sofilera 11 lahy).
Nisetrasetra loatra iny fitondrana Rajoelina iny ary nanantena fa hijanona eo amin’ny fitondrana mandrakizay ka tsy ho tratran’ny aloka.
Halatra sy fanodinkodinam-bola avokoa no tao ambadik’ireo nambara tetik’asa: teleferika, lalana mikodàna, vary tsinjo sy tosika fameno, building eny Lac Iarivo, colisée, kianja Barea, sns.
Ny tsy fisian’ny mangarahara mikasika ireo fotodrafitrasa rehetra dia ampy hilazana fa kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana avokoa no nisy.
Ny fampiasana herisetra no nentin’izy nampanginana ny vavam-bahoaka; misy kosa ireo voatery nivarotra fanahy noho tahotra sy ny fitiavam-bola.
Fa teo ambany mason’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena ary ireo firenen-dehibe toa an’i Lafrantsa, Etazonia avokoa izany rehetra izany mba tsy hilazana fa mpiray tsikombakomba tamin’ny fitondrana Rajoelina avokoa izy ireo.
Tsotra ny antony, mety amin’i Lafrantsa ny fahantram-bahoaka mba tsy ho afaka hiala aminy mihitsy ny Malagasy. Mety amin’i Etazonia koa ny fisian’ny mpitondra jadona afaka manery ny vahoaka, mba tsy ho verivery foana ny volany, raha tsy hiresaka afatsy ny Base Tuléar.
Ndrao dia mihevitra isika Malagasy fa ny laoranjy irery ihany no nahita tombotsoa tamin’ny herisetra nianjady tamintsika, fa indrindra koa ireo firenen-dehibe ambara mazàna hoe Fianakaviambe Iraisam-pirenena.
Fitondrana Rajoelina NISETRASETRA LOATRA
La gazette de la grande île
23/10/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5626881
Your IP Address: 216.73.216.115
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





