Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Politika : Maty mitsangana i Madagasikara

La gazette de la grande île
05/02/20242 minute read

Raha mijery ny fiainan’ny Malagasy amin’izao voalohany volana febroary 2024 izao isika dia fijaliana tsy misy toa izany no iainan’ny vahoaka malagasy.
Misondrotra 100% ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny. Raha tsy hiteny afa-tsy ny sakafo fihinana andavanandro isika ka mampitaha ny vidiny tamin’ny taona 2019 izay nandraisan’i Andry Rajoelina ny fitondrana, dia afaka mampitaha tsara ny zavatra niainana tamin’izany sy ny fidangan’ny vidim-piainana izao 2024 izao.
– Ny vary dia 500 ariary ny kapoaka tamin’ny 2019 ny ambony indrindra. 850 ar ka hatramin’ny 1000 ar izany ankehitriny.
-Ny menaka 6 000 ar ny iray litatra dia tafakatra 10 000ar ka hatramin’ny 12 000ar amin’izao fotoana izao
– Ny atody novidina 350-400 ar dia lasa 700 ka hatramin’ny 800 ar ankehitriny.
– Ny anana izay novidina 200 ar teo aloha, lasa 500 ar
– Ny hena omby izay 10 000 ar ny kg dia tafakatra 20 000 ar ny ambany indrindra.
Santionany ihany ireo fa maro no azo lazaina sy tanisaina etoana fa ireo no ohatra vitsy. Tsy tenenina intsony ny vidin’ny siramamy, ny savony sy ny jiro sy ny rano…
Maro ny malagasy no tsy mihinan-kanina raha tsy indray mandeha isan’andro intsony. Tena faty mitsangana ireny e.
Mahakasika ny tsy fandriampahalemana dia efa tsy tenenina intsony fa mihetsika indray ny asan-jiolahy izay mahery vaika sy ny asan-dahalo ary ny fanaovana takalon’aina manerana ny nosy. Faty mitsangana sisa no mahazo ny vahoaka satria mitaintaina isan’andro.
Tena sahirana ny vahoaka ankehitriny. Ny mpiasam-panjakana izay nandray fisondrotan-karama isan-taona hatramin’izay dia indray mandeha fotsiny no nahazo izany tamin’ny fitondran’i Andry Rajoelina nanomboka tamin’ny taona 2019 ka hatramin’ny 2024 izao. Ary dia mahagaga fa tsy misy mihetsika toa ny taloha intsony fa toa voan’ny fandraikiraikena daholo amin’izao. Fimenomenomana fotsiny sisa heno dia mangina. Andry Rajoelina nefa bevava be tamin’ny tetezamita 2009 – 2013 fa na tsy nampian’ny mpiara-miasa amin’i Madagasikara avy any ivelany aza dia afaka nandoa io fisondrotana karama io isan-taona. Mangina ary tena toa tsy nisy intsony izany fomba izany ankehitriny fa odiany gisa fotsiny. Ny mpiasam-panjakana no mpiasa farany mahantra indrindra amin’izao fotoana izao noho izany satria roa andro monja dia efa mitrosa indray raha avy mandray vola (karama).
Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe inona ilay atao hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso, izay lazain’i Andry Rajoelina io ?
Raha mitohy izao dia faty olona kere maro no hisy manerana an’i Madagasikara. Tsy misy izay tsy mitaraina ny malagasy ankehitriny fa tsy izy intsony izao. Dia toa ireny faty mitsangana ireny sisa.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top