Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ray aman-dreny ara-drazana : Nosamborina i Rakotondrasoa Noël

La gazette de la grande île
23/02/202427 second read

Nosamborina androany alakamisy faha 22 Febroary 2024 ny filohan’ny antenimiera ny foko ara-drazana eto Madagasikara Rakotondrasoa Noël. Ny zandary eny Fiadanana no nisambotra azy. Ny fikambanana ara-drazana izay tarihiny dia nikasa hanao fihetsiketsehana eo amin’ny vato masina eo Mahamasina ny zoma faha 23 Febroary 2024. Ity fikambanana ity izay avy nitety distrika maro tany amin’ny faritra nilaza ny tanjona tiany hahatongavana eo anatrehan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.
Ity izany no fisamborana faha efatra nisy tao anatin’ny roa volana hoan’ny olona izay maneho hevitra amin’ny raharaha politika ka tsy momba ny fitondrana ankehitriny.
Ho hitantsika ny tohiny…

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top