Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Andry Rajoelina, Ntsay Christian, Ravatomanga ary Naina Andriatsitohaina Ampodio dia fitsarana mivantana koa toa ny raharaha Ambohimanambola

La gazette de la grande île
18/11/2026•2 minute read

Andry Rajoelina no filohampirenena tena be kolikoly sy nanapotika itu firenena malagasy ity. Izy du ireo forongony akaiky azy no rangory fototry ny afo tamin’izany . Rehefa nandositra nakany ivelany izy irro dia nangina no momba azy ary tsy nisy intsony ny firesahana azy ireo.Toa izany moa no ataon’ireo mpitondra firenena nangalatra teto Madagasikara . Tazanina fotsiny rehefa miverina eto amin’ny firenena afaka taona vitsivitsy. Madio toa ny lamba fotsy ny mpiandry ireny rehefa tonga avy any.
Mahakasika any Andry Rajoelina manokana dia tompon’andraikitra tamin’ny kolikoly avolenta sy ny halatra tao amin’ny fanjaka ary ny fanamparampahefana mihoampampana teto amin’ny firenena ity nandritra ny fotoana naha filohampirenena azy .
Tsy afa miala amin’izany koa ingahy Ravatomanga Mamy, Naina Andriatsitohaina ary ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ireo no tena lohan’izao fàhantrana goavana eto Madagasikara izao .
Maro ny olona mitaky ny hanaovana fitsarana mivantana amin’ny télévision toa ny mitranga amin’ny raharaha fanapoizonina amin’ny raharaha Mamonjiniaina Fenohasina teny Ambohimanambola iny.
Mbola mafy lavitra noho ny raharaha Ambohimanambola ity ny heloka nataon’i Andry Rajoelina sy Ravatomanga Mamy sy Naina Andriatsitohaina ary Ntsay Christian teto amin’ny firenena.
Be dia be ny fangatahan’ny malagasy ny hitsarana azy toa izao ny olompirenena nanaraka ity fitsarana ity ny alarobia faha 18 novembra 2026 tao amin’ny TVM.
Raha tonga amin’izany isika dia hihena na ho foana io kolikoly s’y halatra ataon’ny mpanao politika sy ny mpitondra ambony eto Madagasikara io.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top