Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Trésorerie Antaninarenina : Tsy mahazo mandoa vola ankoatra ny karaman’ny mpiasa-panjakana sy ny mpisotro ronono

La gazette de la grande île
23/02/202442 second read

Nivoaka ny didy avy any minisitry ny vola fa tsy azo atao ny mandoa vola ankoatran’ny karaman’ ny mpiasa-panjakana sy ny mpisotro ronono. Izany dia fanapahan-kevitra izay nampitaina hoan’ny mpamoaka volam-panjakana rehetra manerana an’ i Madagasikara. Noho izany dia mikatso daholo ny fandoavana ny vola rehetra na inona na inona.
Midika izany fa tsy manam-bola intsony ny fanjakana ankehitriny io. Maro dia maro anefa ny orinasa sy ny mpandraharaha izay manana vola amin’ny fanjakana. Efa volana maro izy ireny no nahavita ny asa nataony. Izao mbola nohamafisina izao indray fa tsy mahazo mandoa vola ankoatran’ny karama ny mpiasa-panjakana n’y » trésoreries  » rehetra.
Andaniny dia mikatso avokoa ny asam-panjakana rehetra satria tsy misy vola ho entina mampihodina ny asa.
Tsy mbola fantatra ny fotoana izay hiverenan’ny fandoavana vola hoan’ny sehatra rehetra amin’ny fanjakana ity. Dia izao izany ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso. Baky ropitra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top