Mamaly ny hetahetam-bahoaka amin’izao Fanavaozana izao ny minisitra Christine Razanamahasoa,Fanirisoa Ernaivo ary Lylyson de René.
Ny fifandraisana ara-diplaomatika Malagasy mihitsy no tsy mamela safidy hafa ankoatra an’i Christine Razanamahasoa. Sady matotra no manana ny fahaiza-manao ary na tsy teny an-kianja aza dia isan’ireo tena nitolona ho an’ny firenena koa mendrika ny hiverina ho mpikambana anaty governemanta.
Ny « bâtonnier » Hubert RAHARISON kosa dia namaly an’i Mbitana ary nilaza fa tsy « poste juridictionnel » ny ministry ny Fitsarana, fa « poste politique » izany hoe tokony olona mamaly ny fitakiana teny an-kianja, mamaly ny politikan’ny Fitondrana Fanavaozana, koa Fanirisoa Ernaivo izay efa nanomboka izany fitakiana teny an-kianja izany no mendrika ny toeran’ny minisitry ny Fitsarana, hoy ny « bâtonnier » Hubert RAHARISON.
Ny jeneraly Lylyson indray dia sahy namaky bantsilana ny ady amin’ireo mpangalatra tany mpambotry firenena ary nampitsahatra ny ranomason’ireo mpiray tanindrazana lasibatry ny halatra tany. Mamy ny vola ary vitsy ireo mahavita mandà ny mena miraviravy fa ny jeneraly Lylyson izay mpanohana tsy misy fepetra ny kolonely Michael dia mendrika ihany koa hanohy ny andraikiny ho an’ny Tanindrazana. Toko telo mamasa-nahandro Fanirisoa Ernaivo, Christine Razanamahasoa ary Lylyson de René.
Fitakiam-bahoaka: Christine Razanamahasoa, Fanirisoa Ernaivo ary Lylyson de Renè
La gazette de la grande île
20/03/2026•56 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5708850
Your IP Address: 216.73.217.83
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





