Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Antenimierampirenena Niongana Siteny, krizy fanindroany tao Tsimbazaza izao

La gazette de la grande île
25/11/2026•39 second read

Araka ny zava-misy politika ankehitriny dia naongan’ny depiote indray ny filohany Siteny Randrianasoloniaiko ny talata 24 novembra 2026 tamin’ny 2 ora maraina. Niongana koa i Mamihaja Charlot izay kestora fahatelo avy any Mananjary, ny filoha lefitra Afakandro Christian avy any Mahajanga ary Charles Issa Ibrahim avy any Antsiranana. Hiova ny birao maharitra ny antenimierampirenena manomboka izao. Krizy fanindroany nitranga tao amin’ny andrimpanjakana ity io tao anatin’ny iray taona izao . Midika izany fa tsy milamina ny raharaha politika eto Madagasikara. Marobe ny fanehoan-kevitra misy noho ity raharaha ity. Samy milaza ny filazana avokoa ny sokajin’olona isan-karazana. Misafotofoto ny vaovao. Andrasan’ny vahoaka izay fanambarana ataon’ny filohan’ny fitondrana Fanavaozana eo anatrehan’ity raharaha ity. Araka ny resaka mandeha ao Tsimbazaza ao dia ny alarobia 25 novembra 2026 izao no ho fantatra ny filohan’ny antenimierampirenena vaovao hisolo an’i Siteny Randrianasoloniaiko.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top