Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Lylyson sy Fanirisoa Mamaly ny antson’ny vahoaka

La gazette de la grande île
20/03/202643 second read

Mamaly avy hatrany an’i Mbitana ny bâtonnier Hubert RAHARISON, ka nanambara fa tsy mitombona ny filazana fa tsy maintsy « magistrat de 1er grade » no ministry ny Fitsarana. Tsy « poste juridictionnel » ny ministry Fitsarana hoy ny « batonnier » Hubert Raharison. Mifandraika mivantana amin’ny tolom-bahoaka sy ny fitakiana teny an-kianja dia ny fanenjehana ireo mpambotry firenena no tokony hanendrena ireo minisitra. Porofon’izany ireny tatitra nataon’ny « Cour des Comptes » ireny.


Mazava araka izany fa mendrika ny nanohy ny asa efa niantsorohany ny minisitra Fanirisoa ary izy irery aloha no azo antoka fa tsy ho tratran’ny fandrabirabian’ny volan’ireo mpitondra teo aloha.
Toraka izany koa ny jeneraly Lylyson. Minisitra sahy namaky bantsilana ny tsy rariny manoloana ireo halatra tany nampijaly ny vahoaka. Tena mamy ny vola ary vitsy ireo mahavita mandà ny mena miraviravy, fa ny jeneraly Lylyson izay mpanohana ny kolonely Michael dia mendrika ny hanohy ny andraikiny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top