Ny famoronana Dossiers no tena nampiavaka ny fitondrana #Andry_Rajoelina.
Lasibatra tamin’izany ny Filoha Tale Jeneraly n’ny » La Gazette de la Grande îles » Atoa Lôla Rasoamaharo, tamin’ny #𝗣𝗥𝗘𝗗𝗔𝗧𝗢𝗥 izay nampiasain’ny Fitondrana Andry Rajoelina hanarahamaso olona amin’ny fomba miafina sy antsokosoko. Io raharaha io dia efa niteraka adihevitra eran-tany noho ny mety hanitsakitsahana ny zo fototra maha olona sy ny fiainana manokana.
#Nogadraina izy satria tamin’ny alalan’ny Predator no nahafantarana fa manana ny #Nationalité_Française i Andry Rajoelina, izay tena nafeniny mafy mba tsy hofantatry ny Malagasy. Ny resaka Brigitte Razaka, JIRAMA, Fandosirana ny fonja….sns, dia dossiers niniana noforonina avokoa.
Voalaza ihany koa fa nisy fitoriana napetrak’i Lôla Rasoamaharo tamin’ny orinasa NEXA, izay fantatra fa namarotra fitaovana fitsikilovana ny fitondrana teo aloha. Tena mampiseho fa nampiasaina hanaraha-maso sy haneriterena ireo mpanao gazety na mpanao politika mpanohitra io Logiciel io.
Ankoatra izany, i Lôla Rasoamaharo dia olona manana traikefa sy fahaiza-manao maro: injeniera ary mpampiofana Microsoft (Anisan’ny olona akaiky an’i Bill Gates) izy , ary efa nanao fanatanjahantena ara-batana maro toy ny aïkido, karaté…. sns. Ho an’ny mpanohana azy, izy dia olona mijoro amin’ny fahamarinana ary tsy manaiky kolikoly na fanararaotam-pahefana.
Na izany aza, ilaina hatrany ny fanadihadiana tsy mitanila sy ny fanajana ny lalàna, mba hahafantarana marina ny zava-misy sy hiantohana ny fahamarinana. Ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fiarovana ny zon’olombelona no fototra iorenan’ny demokrasia.






