Tsy ho lava ity lahatsoratra ity. Tsotra ny vahaolana ahazahoana tanàna madio sy milamina ahafahan’ny rehetra mihaina ara-pahasalamana. Sazio ireo izay mandoto. Ampiharo ny lalàna ho an’izay rehetra manary fako sy mandoto ny tanàna. Aza asiana tombo sy hala, sazio izay tsy manaja ny hafa.






