Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fanjakana Fanavaozana Na hanaraka ny tandrefana na hoany amin’ny Tatsinanana

La gazette de la grande île
26/07/202659 second read

Ny » géopolitiques  » iraisam-pirenena dia ny firenena tandrefana misy an’ny Etazonia sy ny vondrona eropeana ankilany ary ny andaniny dia ny firenena Tatsinanana ahitana an’i Rosia sy ny Koreanina tavaratra ary ny sinoa…
Ny firenena rehetra maneran-tany dia misafidy na ho Tatsinanana na ho tandrefana ny firehany toa ny raharaha any Ukraine ankehitriny. Sarotra be ny misabaka amin’izy roa tonta io fa izay manao izany dia miongana mazana na tratran’ny ady sy ny korontana.
Manery mafy ny firenena tandrefana ankehitriny amin’ny fanatanterahana ny fihaombempirenena hiverenana amin’ny fanjakana ara-dalàna ny fitondrana Fanavaozana . Ny sadec, izay ivondronan’ny firenena aty atsinanan’i Afrika, izay misolotena ny komity iraisam-pirenena tandrefana , izay mpampiasa vola sy manampy an’i Madagasikara.
Raha ny zava-misy politika koa anefa dia toa mirona kokoa amin’ny Rosianina sy ny Koreanina tavaratra toa ny tamin’ny andron’ny fitondrana Didier Ratsiraka ny Kolonely Mickael Randrianirina. Tsy misy valaka amin’ny fijerin’ny repoblika faharoa ny raharaha izao raha zohina.
Ny fijerena ny raharaha avy ety ivelany dia toa eo ampovoany ny fitondrana ankehitriny. Tokony hanapa-kevitra izy na hiatsinanana na hiankandrefana fa ho latsaka anelanelany eto isika.
Midika zavatra maro ny tenin’ny Sadec omaly talata faha 22 Jolay 2026 ireny amin’ny fanerena ny fitondrana Fanavaozana ity hanaraka ny teniny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top