Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Rasoamaromaka « Grossiste »-n’ny bizna

La gazette de la grande île
13/09/202641 second read
Des dizaines de milliards détournés au Lake Village et des dizaines d’autres par favoritisme à son entreprise « Magic » … nous en reparlerons

Nitarika ireo be sandry (gros bras) mpikarama anadin’ny TGV, nampihorohoro ny zanak’Antananarivo sady « grossiste »-n’ny bizna nanerana ny Faritra Analamanga, i Rasoamaromaka na Ragôva, hoy ireo mpisolelaka.
Tsy maintsy nandoa rakitra taminy avokoa ary amin’ny maha « grossiste »-n’ny bizna azy dia amina miliara daholo izany.
Nampandraiketin’i Andry Rajoelina ireny fampihorohoroana sy herisetra nandritra ny Hetsika Fotsy teto an-drenivohitra ireny i
Rasoamaromaka ka ho tambin’izany ny nanendrena azy ho governora.
Nazava ny baiko tamin’izany: « tsy misy indra-fo ho an’izay rehetra tsy manaiky ny TGV ». Azo antoka fa tsy maintsy tafiditra tamin’ny halatra 3000 miliara i Rasoamaromaka. Andrasana araka izany ny « audit » tao amin’ny Faritra Analamanga nandritra ny fotoana naha governora azy, raha tsy hiresaka fotsiny afatsy ny fampiasana ireo « engins » ho amin’ny tombotsoa manokany. Izy moa no nahazo ny tsena fanamboarana ny hopitaly manara-penitra tany Mahajanga nandritra ny fitondrana HAT.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top