Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fankan-kevitra politika Samy miseho ho dadany avokoa ireo mpanao politika sy ny mpisehatra

La gazette de la grande île
13/11/2026•51 second read

Tamin’ny alatsinainy sy talata faha 9 sy 10 novembra 2026 teo dia navorin’ny fitondrana Fanavaozana ny mpisehatra politika sy ny mpanao politika teto Antananarivo. Nisy koa ny olona vitsivitsy avy any amin’ny faritany.
Mazava ho azy fa ny momba ny fivoahana amin’ny fitondrana tetezamita izao no lahadinika ka hidirana amin’ny fitondrana ara-dalàna sy ny tsy hiverimberenan’ny krizy politika eto Madagasikara intsony.
Samy niseho dadany avokoa ireo mpisehatra tamin’izany. Ny filoham-panjakana nanana ny fijeriny, ny mpanao politika samy namoaka ny heviny ary mitoky teny fatratra fa ny azy no tokony ho tanterahana sy hanatanterahana ny fanovana ny rafitra vaovao hitondrana ny firenena. Ny sasany indray dia ny hirosoana amin’ny fifidianana filohampirenena avy hatrany no mahamay azy. Ao koa ireo izay mitaky ny fandiovana sy ny fanovana ny rafitry ny CENI…
Midika avy hatrany izany fa tsy ho mora ny fanatanterahana ny fihaonambempirenena hatao .
Raha izany no zava-misy dia mbola tsy hilamina ihany ny raharaha politika eto Madagasikara ka mila mailo ny vahoaka fa indrindra ny fitondrana Fanavaozana. Amin’ny fomba ahoana no handaminan’ny FFKM izany ?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top