Atramin’izao dia mihemotra foana ny tetiandro hanatanterahana ny fihaonambempirenena. Iray taona katroka izao no nanankinana amin’ny FFKM ( Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) ny hanatanterahana ity fihaonambempirenena ity. Tsy misy zavatra mazava atramin’izao ny fanatanterahana ity raharaha ity izay iankianan’ny aim-pirenena.
Mihemotra isan’andro isan’andro ny andro sy ny volana hanatanterahana ny tetiandro amin’izany. Isaky ny miseho vahoaka izy ireo mampanantena fa miasa nefa tsy hita izay vokany. Ny volana aprily 2026 no voalaza voalohany fa hanaovana izany. Nihemotra volana oktôbra 2026 indray, dia izao voalaza izao indray fa ny volana aprily 2027. Voalaza anefa fa tsy maintsy manao fifidianana ny malagasy amin’ny taona 2027 ho avy io. Raha izao fomba fiasan’ny Ffkm izao dia tsy mampino izany.
Raha izao zava-misy izao dia tsy zakany sady tsy hainy ny fanatanterahana ny fihaonambempirenena ity.
Manampy izany dia tsy hita koa ny asa vitan’ny komity teknika izay natsangana any anivon’ny Primatiora. Tsy misy zavatra mazava aloha fantatra atramin’izao.
Manery mafy amin’ny havitana aingana ny fihaonambempirenena ny malagasy sy ny komity iraisam-pirenena.
Inona no hevitry ny FFKM amin’izao fihetsika ataony izao? Rehefa tsy vitany dia tokony hiala sy mitsotra izy ireo fa tsy atao kilalao toa izao ny raharaham-pirenena.
Tokony hitandrina sy handray fepetra vaovao ny Filohan’ny Fanavaozana Colonel Michael Randrianirina fa any aminy no hiantraika ny voka-dratsy aterak’izao fitavozavozan’ny FFKM izao.
FFKM Tsy matotra ny fomba fiasany ka hanimba ny Fitondrana Fanavaozana
La gazette de la grande île
23/11/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5913198
Your IP Address: 82.121.218.53
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »




