Lany ho filohan’ny Antenimierampirenena indray i Marco Tsaradia depiote avy any Ampanihy ny alarobia faha 25 novembra 2026. Izy no nasolo an’i Siteny Randrianasoloniaiko izay naongan’ny depiote tamin’ny alatsinainy faha 23 novembra 2026 teo .
Nihazakazaka izay tsy izy ny raharaha tao Tsimbazaza tao teo anatrehan’ity raharaha ity. Korontana ambony ambany . Ady seza s’y fahefana no misy.
Lany tamin’ny mpifidy 129/ 130 i Marco. Depiote iray no nanao vato fotsy . Tsy nety nifidy ny depiote Tim. Nisy fito no nilatsaka ho fidina ireo depiote nefa dia i Marco sisa no kandidà tokana nanaovana latsabato.. lany soamatsara izy. Niala andaharana n’y enina noho ny baiko hono.
Ny mpanaraka ny raharaha politika dia mahita sy mahatadidy nanomboka hatramin’ny taona 2014 fa izay filohan’ny Antenimierampirenena teo dia toa izao daholo ny fifidianana natao taminy. Lany 100 % na 90%, fa rehefa avy eo dia aongana amin’io salanisa io koa. Razanamahasoa Christine dia indroa voa, Tokely Justin, Siteny Randrianasoloniaiko, dia samy nandalo an’izany avokoa. Izao dia mbola izany ihany no fifidianana an’i Marco Tsaradia. Rahoviana indray izy izany no haongana? Ho hitantsika eo ny tohiny. Mafanafana ao Tsimbazaza ao.
Marco Tsaradia Lany filohan’ny Antenimierampirenena, dia rahoviana indray no hiongana
La gazette de la grande île
28/11/2026•52 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5920166
Your IP Address: 72.63.33.215
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »




