Tamin’ny alatsinainy sy talata faha 9 sy 10 novembra 2026 teo dia navorin’ny fitondrana Fanavaozana ny mpisehatra politika sy ny mpanao politika teto Antananarivo. Nisy koa ny olona vitsivitsy avy any amin’ny faritany.
Mazava ho azy fa ny momba ny fivoahana amin’ny fitondrana tetezamita izao no lahadinika ka hidirana amin’ny fitondrana ara-dalàna sy ny tsy hiverimberenan’ny krizy politika eto Madagasikara intsony.
Samy niseho dadany avokoa ireo mpisehatra tamin’izany. Ny filoham-panjakana nanana ny fijeriny, ny mpanao politika samy namoaka ny heviny ary mitoky teny fatratra fa ny azy no tokony ho tanterahana sy hanatanterahana ny fanovana ny rafitra vaovao hitondrana ny firenena. Ny sasany indray dia ny hirosoana amin’ny fifidianana filohampirenena avy hatrany no mahamay azy. Ao koa ireo izay mitaky ny fandiovana sy ny fanovana ny rafitry ny CENI…
Midika avy hatrany izany fa tsy ho mora ny fanatanterahana ny fihaonambempirenena hatao .
Raha izany no zava-misy dia mbola tsy hilamina ihany ny raharaha politika eto Madagasikara ka mila mailo ny vahoaka fa indrindra ny fitondrana Fanavaozana. Amin’ny fomba ahoana no handaminan’ny FFKM izany ?
Fankan-kevitra politika Samy miseho ho dadany avokoa ireo mpanao politika sy ny mpisehatra
La gazette de la grande île
13/11/2026•51 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5898496
Your IP Address: 107.167.122.24
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »




