Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

FFKM Tsy matotra ny fomba fiasany ka hanimba ny Fitondrana Fanavaozana

La gazette de la grande île
23/11/2026•2 minute read

Atramin’izao dia mihemotra foana ny tetiandro hanatanterahana ny fihaonambempirenena. Iray taona katroka izao no nanankinana amin’ny FFKM ( Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) ny hanatanterahana ity fihaonambempirenena ity. Tsy misy zavatra mazava atramin’izao ny fanatanterahana ity raharaha ity izay iankianan’ny aim-pirenena.
Mihemotra isan’andro isan’andro ny andro sy ny volana hanatanterahana ny tetiandro amin’izany. Isaky ny miseho vahoaka izy ireo mampanantena fa miasa nefa tsy hita izay vokany. Ny volana aprily 2026 no voalaza voalohany fa hanaovana izany. Nihemotra volana oktôbra 2026 indray, dia izao voalaza izao indray fa ny volana aprily 2027. Voalaza anefa fa tsy maintsy manao fifidianana ny malagasy amin’ny taona 2027 ho avy io. Raha izao fomba fiasan’ny Ffkm izao dia tsy mampino izany.
Raha izao zava-misy izao dia tsy zakany sady tsy hainy ny fanatanterahana ny fihaonambempirenena ity.
Manampy izany dia tsy hita koa ny asa vitan’ny komity teknika izay natsangana any anivon’ny Primatiora. Tsy misy zavatra mazava aloha fantatra atramin’izao.
Manery mafy amin’ny havitana aingana ny fihaonambempirenena ny malagasy sy ny komity iraisam-pirenena.
Inona no hevitry ny FFKM amin’izao fihetsika ataony izao? Rehefa tsy vitany dia tokony hiala sy mitsotra izy ireo fa tsy atao kilalao toa izao ny raharaham-pirenena.
Tokony hitandrina sy handray fepetra vaovao ny Filohan’ny Fanavaozana  Colonel Michael Randrianirina fa any aminy no hiantraika ny voka-dratsy aterak’izao fitavozavozan’ny FFKM izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top