Nivoaka ny didy avy any minisitry ny vola fa tsy azo atao ny mandoa vola ankoatran’ny karaman’ ny mpiasa-panjakana sy ny mpisotro ronono. Izany dia fanapahan-kevitra izay nampitaina hoan’ny mpamoaka volam-panjakana rehetra manerana an’ i Madagasikara. Noho izany dia mikatso daholo ny fandoavana ny vola rehetra na inona na inona.
Midika izany fa tsy manam-bola intsony ny fanjakana ankehitriny io. Maro dia maro anefa ny orinasa sy ny mpandraharaha izay manana vola amin’ny fanjakana. Efa volana maro izy ireny no nahavita ny asa nataony. Izao mbola nohamafisina izao indray fa tsy mahazo mandoa vola ankoatran’ny karama ny mpiasa-panjakana n’y » trésoreries » rehetra.
Andaniny dia mikatso avokoa ny asam-panjakana rehetra satria tsy misy vola ho entina mampihodina ny asa.
Tsy mbola fantatra ny fotoana izay hiverenan’ny fandoavana vola hoan’ny sehatra rehetra amin’ny fanjakana ity. Dia izao izany ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso. Baky ropitra.
Trésorerie Antaninarenina : Tsy mahazo mandoa vola ankoatra ny karaman’ny mpiasa-panjakana sy ny mpisotro ronono
La gazette de la grande île
23/02/2024•42 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312488
Your IP Address: 3.21.159.223
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »