Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

7 février : Nandiso fanantenana ny tolona tamin’ny 2009

La gazette de la grande île
07/02/20242 minute read

Tena nandiso fanantenana ny vahoaka malagasy ny tolona izay natao ho fanavotana an’i Madagasikara tamin’ny fanjakana jadona sy jiolahy nataon’i Marc Ravalomanana. Nieritreritra ny hahazo tombotsoa tamin’ny tolona iny ny ankamaroan’ny malagasy saingy indrisy fa fahantrana mihoampampana no valiny.
Tsy nampoizina ho toa izao no vokatry ny nametrahana an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana ka nahafatesana olona marobe.
Tena fitaka be vava no mitranga ankehitriny. Lasa nitombo avo folo heny ny fahantrana. Nandiso fanantenana tanteraka Andry Rajoelina hoy ny resaka etsy sy eroa. Voalatsa ireo mpitolona tamin’ ny fotoana iny ankehitriny. Lasa fanjakan’ny olom-bitsy no nitranga ka ny vola sy ny harena no lasa sakaizan’i Andry Rajoelina.
Raha ampitahaina tamin’ny taona 2009 ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao dia tena tsy rariny intsony. Tamin’ny 2009 dia 200 ariary ny kapoaka ny vary. 2024 izao dia 1100ar izany. Izany hoe nitombo 5 heny ny fiakarany. Ny savony novidina 150 ar lasa 1500ar. Ny menaka fihinana 3500 ar ny litatra lasa novidina 12 000ar ankehitriny. Tsy misy izay tsy miakatra ny vidim-piainana.
Nitombo ny fahantrana ka tsy any Androy ihany no misy kere fa hatrany amin’ny faritra betsileo sy atsimo atsinanana manontolo no lasa nahantra fadiranovana.
Tsy ho tenenina intsony ny tsy fandriampahalemana fa mitombo andro aman’alina. Tamin’ny 2009 raha tamin’ny vahiny karana no nisy ny « kidnapping » na ny fanaovana takalon’aina dia ny malagasy indray no tratran’io amin’izao. Ny tena voa mafy dia ny any ambanivohitra no tena mitondra faisana… Maro tsy ho voatanisa intsony ny olana misy eto amin’ny firenena taorian’ny tolona notarihin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 iny. Nanenina ny ankamaroan’ny mpitolona mbola velona.
Androany 7 Febroary no nanao ny fahatsiarovana izany ireo milaza mpitolona sy ny nahazo tombotsoa tamin’ny raharaha iny. Vitsy dia vitsy sisa tonga teo Antaninarenina androany. Tsy hita teo intsony i Razanamahasoa Christine, i Rossy, Monja Roindefo… Olona nahazo toerana sisa tonga teny ankoatran’i Alain Ramaroson.
Andry Rajoelina raha nanao kabary teo dia nanafatra ireo minisitra sy ireo nahazo toerana amin’izao fitondrana izao mba hijery ireo olona nitolona kivy be ireo. Dia ho hita eo izany.
Izany sisa azony nataony fa tsy afaka nanantena asa sy fiainana tsaratsara kokoa noho izao intsony.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top