Marobe ny antso avy any amin’ny faritany mahakasika ny fankakevitra izay nataon’ny fitondrana Fanavaozana teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny alatsinainy sy talata faha 9 sy 10 novembra 2026 teo. Mahakasika ny lalampifidianana no tena nivoaka tamin’izany. Gaga sy mametraka fanontaniana ny mpisehatra politika sy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena fa toa efa miditra sahady amin’ny zavatra tokony hodinihina any amin’ny fihaonambem-pirenena iny raharaha iny. Ny fihaonana isam-paritra mbola tsy nisy akory dia efa navoaka ireny fehikevitra ireny .Midika ireny fa efa misy zavatra voaomana mialoha any hoany.
Ny fihaonambem-pirenena no hamaritra ny lalampanorenana izay hamaritra ny rafitra politika hitondrana indray ny firenena na ho fitondrana tokana, na ho mizakatena na koa federaly no ho lany ny vahoaka malagasy eo mandritra ny fihaonambem-pirenena io. Raha iny zava-misy teny amin’ny fankakevitra iny dia toa ny sarety indray no mitarika ny omby.
Na inona na inona lalana havoaka eo na inona hevitra hotenenina dia izay ho tapaka amin’ny fihaonambem-pirenena ka hovoarakitra amin’ny lalampanorenana no tsy maintsy hitondrana ny politika sy ny fampandrosoana indray eto amin’ny firenena. Resaka adala ny ankoatran’izany.
Fihaonambem-pirenena Hamaritra ny lalampanorenana sy ny fampandrosoana vaovao
La gazette de la grande île
13/11/2026•51 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5899087
Your IP Address: 176.144.44.105
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »




